Valan-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety

administrateur 1 febroary 2018 Commentaires fermés
Valan-dresaka natao tamin’ny mpanao gazety

Nanao valan-dresaka  tamin’ny mpanao gazety ny Sekretera Jeneralin’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Heriniaina Razafimahefa ny Zoma 02 Febroary 2018 tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.Nambarany tamin’izany ny zava-misy eto amin’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra amin’izao fotoana izao mikasika ny fisian’ireo toerana mifefy maromaro  izay tsy fantatry ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra  . Nohamafisiny   fa misy ny Ben’ny Tanàna sy ny Mpanolontsain’ ny tanàna ary manana ny santany Antananarivo Renivohitra ka tokony hisy ny fanajana sy ny fampiresahina raha misy ny zavatra tian’ny fanjakana foibe atao eto an-drenivohitra   ;  Ny tany rahateo  dia misoratra amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra .Amin’izao fotoana izao  dia gaga ny mpitantana ny Tananan’Antananarivo manoloana ireo   famefena sy fanaovana ny foto-drafitr’asa tsy misy fampiresahina sy fampilaza ataon’ny fanjakana izay midika fa tsy misy ny fanajana . Tsara ny manamafy fa tsy sarotiny amin’ny fanatsarana izay kasain’ny fanjakana atao ny tomponandrainkitra eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tarihin’ny Ben’ny Tanana Lalao Ravalomanana fa tokony hisy kosa ny fanajana .

CUA