Tsena Besarety

administrateur 14 martsa 2018 Commentaires fermés
Tsena Besarety

Nisy ny fidinana nataon’ny Sekretera Jeneraly ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Andriamatoa Heriniaina Razafimahefa sy ny ekipa eo anivon’ny Boriboritany fahatelo tetsy amin’ny Tsenan’ny Besarety ny Alarobia lasa teo.

Nijery ny zava-nisy tamin’ireo tsena teny an-toerana, hisy araka izany ny fanatsarana ny tsena toy ny fanadiovana ny toerana, ny fanatsarana sy fanitarana ireo pavillon efa nisy izay ho ampitovina avokoa ny lokon’izy ireo ka ho atao mena sy mavo avokoa. Eo ihany koa ny fanamborana ny Lakandrano izay hita fa efa tena simba.