Taombaovao Malagasy 2018

administrateur 19 martsa 2018 Commentaires fermés
Taombaovao Malagasy 2018

Nankalazaina tetsy anoloan’ny Kianjaben’i Mahamasina ny alahady faha 18 Martsa teo ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny « Taombaovao Malagasy 2018», araka ny maha lanonana azy dia nasongadina manokana tamin’izany ny tena fomba Malagasy. Nisy ny fanomezana tso-drano nataon’ny ray amandrenibe, teo ihany koa ny fiaraha-misakafo tamin’ny alalan’ny vary amin-dronono tondrahan-tantely.

Nofaranana tamin’ny fizarana nofon-kena mitaham-piavanana sy salohimbary moa ny lanonana, ny santa-bary izay midika ho santatry ny taona ary nisy ihany koa ny lohahevitra nentina nanomezan-kasina ny vehivavy Malagasy. Voaasa manokana nandritra izany moa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny maha-tompontrano azy ka nisy ny solotena nanome voninahitra ny lanonana tamin’izany.