Mpiasan’ny CUA voadaroka

administrateur 9 febroary 2018 Commentaires fermés
Mpiasan’ny CUA voadaroka

Nitrangàna famonoana , miampy daroka tamba-be, ny mpiasan’ny CUA indray ny marainan’ny Zoma 09 Febroary 2018 teo, teo anoloanan’ny tsena lehibe iray tetsy Analakely, nataon’ireo andian’olona mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna.Vokany : naratra mafy ny mpiasan’ny Kaominina iray, raha mba niteny tamin’ireo mpivarotra amoron-dalana  hikisaka amin’ny toerana tsy azo hivarotana. Rehefa mandalo ny mpiasan’ny kaominina manatanteraka ny asany amin’ny fanalàna ireo mpivarotra eny amin’ny sisin’arabe dia mody miala izy ireo ary dia miverina eo indray. Tamin’ity indray mitoraka ity kosa dia narahana ompa sy tsy fanajana ary mbola nodarohana nanaovana tamba-be  mihitsy ny mpiasan’ny Kaominina : tao ny nanisy totohondry, tao koa ny nanitsaka rehefa lavo tamin’ny tany  ilay mpiasa ka raha tsy tonga ny mpiara- miasa aminy dia ny ainy mihitsy no nanefa.

Voasambotra ny roalahy tamin’ireo mpamono ary tafaporitsaka kosa ny namany maro hafa. Ny mahavariana amin’izao tranga izao dia mampiahiahy ny fihetsika ataon’ny olona sasany fa rehefa ny mpiasan’ny kaominina no manao ny asany, handrindrana ny tanàna, dia misy olona manao ny tsy fanao hanohitra be fahatany fa rehefa ny Ministera M2PATE no mandrava, hatramin’ny trano fivarotan’ny mpivarotra, tsy misy fampierana na fampilazana, dia toa tsy misy sahy mitsangana. Na eo aza izany rehetra izany dia tsy hiala amin’ny andraikiny ny CUA fa hiezaka hatrany, hisian’ny fandaminana ny fiaraha-monina mirindra eto Antananarivo Renivohitra.