Fokontany Ambatovinaky : Boriboritany voalohany

administrateur 12 martsa 2018 Commentaires fermés
Fokontany Ambatovinaky : Boriboritany voalohany

Narodana ilay trano nahiana hampidi-doza

Trano iray misy rihana teny amin’ny Fokontany Ambatovinaky no nianjera ho azy ny tolakandron’ny Alarobia 7 Martsa 2018. Tonga teny an-toerana ireo mpamonjy voina ny andron’ny  Alakamisy 8 sy 9 Martsa mba handrodana ireo rihana sisa izay mbola nahiana hianjera ka mety hampidi-doza.

Raha araka ny nambaran’ny Tompon’andraikitra avy eo anivon’ny sampan mpamonjy voina dia ny fahanteran’ny trano sy ny fifandimbiasan’ny rivotra, ny hafanana ary ny orana no tena anisan’ny antony nampirodana ity trano ity. Tsy nisy ny naratrasy ny aina nafoy satria dia tafavoaka ara-potoana avokoa ireo tompon-trano nandritra ny fiavian’ny loza.

Ny mpamonjy voina dia sampan iray miasa ho an’ny vahoaka, maimaim-poana avokoa ny tolotra izay tanterahan’izy ireo koa manentana ny rehetra mba tsy hisalasala hiantso ny sampan mpamonjy voina amin’ny laharana 118 raha sanatria ka misy ny loza mampiahiahy na hanatona ny sampan mpamonjy voina akaiky azy.