Notokanana ny Alarobia 07 Febroary 2018 ny ivon-toerana momba ny fampandrosoana ny mahaolona « CENTRE ILAIKO » ao an-Tetezana Afovoany , boriborintany voalohany . « Centre d’Accès aux Services na CAS » toerana fandraisana fitarainana ireo olona manana olana. Ny fanaganana ity ivon-toerana ity dia fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Groix rouge Malagasy ary ny Croix rouge Danoise. Ny CUA no nanome ny tany, fa ny vokovoko mena Malagasy sy Danoise kosa no niantoka ny fananganana ny fotodrafitr’asa.
Ao anatin’ity ivon-toerana ity, misy ny « Centre Ilaiko » izay tantanin’ny Departementa misahina ny sosialy ao amin’ny CUA sy ny « Centre Mamitasoa » tantanin’ny Croix rouge Malagasy. Ny antony nanaganana ity ivon-toerana ity dia natao indrindra handraisana ny fitarainana avy amin’ireo olona manana olana eny amin’ny fokontany : ankizy sy vehivavy iharan’ny herisetra , ny olona tsy manana asa. Eo koa ny fanohanana ara-moraly sy ara-ekonomika amin’ny alalan’ny fanomezana fampiofanana arak’asa , ny fampianarana ireo zaza sahirana sy ikarakarana azy.
Nisaotra ny Ben’ny tanana Lalao Ravalomanana ny filohan’ny vokovoko mena Malagasy, Atoa Rakotondranja Claude, zava-dehibe amin’izy ireo ny fiaraha-miasa eo amin’ny CUA sy ny CROIX ROUGE Malagasy ,ahafahana manampy ny mpiara-belona efa tratry ny fahasahiranana ankehitriny . Ankizy 3000 sy vehivavy iharan’ny herisetra no kendrena ahazo tombontsoa amin’ny fanaganana izao centre izao. Ny mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanana , Atoa Ravatomanga Rolland nisolo tena ny Ben’ny tanana Lalao Ravalomanana dia nanambara fa tsy kisendrasendra ny fanokafana ny Centre ILAIKO fa tetik’ady efa napetraky ny Ben’ny tanàna, manakaiky ny vahoaka madinika amin’ny fitantanana ny tanàna . Miantso fiaraha-miasa amin’ny tsara sitrapo amin’ny fanatsaràna ny fiainanan’ny vahoaka ny CUA , ka zava-dehibe ny tolo-tanan’ ny Vokovoko Mena nanampy tamin’ny fananganana izao ivon-toerana izao .
Nambaran’ny Talen’ny sosialy ny CUA , Rtoa Prisca Andriantseheno fa ny UNICEF dia isany nanampy ny “centre ilaiko” tamin’ny fampitaovana izao fanokafana izao . Efa misy telo ny CAS miorina eto Antananarivo Renivohitra : BMH isotry , Soavimasoandro ary ny eto amin’ny Tetezana Afovoany , ny tanjona dia mba hisian’ ny centre manerana ny boriborintany 6 eto Antananarivo Renivohitra.