Fihaonana tamin’ireo mpivarotra antsahamamy sy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana

administrateur 13 febroary 2018 Commentaires fermés
Fihaonana tamin’ireo mpivarotra antsahamamy sy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana

Nitsidika an’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana tato amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely androany 13 febroary ireo Solontenan’ny mpivarotra “pavillon” vaovao  avy etsy Ambolonkandrina Antsahamamy boriboritany faharoa, izay nitokanan’ny Kaominina Antananarivo  Renivohitra ny 19 janoary lasa. Tonga nitsidika sady niarahaba ny Ben’ny Tanàna  noho ny fahatratrarana ny taona vaovao  tratran’ny taona 2018 sy ny nisaotra ny Ben’ny Tanàna tamin’ny nahazoan’izy ireo tsena vaovao  satria nametraka zavatra tsara ho an’ireo mpivarotra ny Ben’ny tanàna  ary nahazo tombotsoa  tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny  Delegen’ny boriboritany faharoa ihany koa.

Nandritra izany ny fangatahan’izy ireo ny hamoronana  zotra vaovao miditra mankany anatin’ny tsenan’ Antsahamamy mba handrisika ny mpividy eny an-toerana.Nangataka  ny fampidirana jiro ao amin’ny tsena vaovao  ihany koa izy ireo fa indrindra ny fanasiana ny “poste avancé ” sy   toerana fidiovana ; Eo koa ny fanadioavana ny tanàna sy  ny fanatsarana ny lakandrano.

Vonona  hanampy ireo mpivarotra  ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana ka  hojerena manokana ireo fangatahana  izay miantoka ny fandriam-pahalemana  sy ny fahadiovana ka  raisina an-tanana fandinihana ilay zotra vaovao sy ny fanatsarana ny lakandrano izay ifampiresahana  amin’ny departemanta avy ato amin’ny kaominina misahana  izany.Ny sisa  kosa dia ankinina amin’ny Delegen’ny Boriboritany faharoa.