Fiarovana ny fahasalamam-bahoaka

administrateur 28 martsa 2018 Commentaires fermés
Fiarovana ny fahasalamam-bahoaka

Fampiofanana sy fanentanana ireo mpivarotra hani-masaka manerana ny Boriboritany voalohany.

Notanterahina ny andron’ny Zoma 23 Martsa 2018 tao amin’ny « Salle de mariage »  Boriboritany Voalohany ny fampiofanana sy fanentanana ireo mpivarotra hani-masaka manerana ity Boriboritanyity izay nokarakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ministeran’ny fahasalam-bahoaka.

Niisa 300 teo ho eo ireo mpivarotra hani-masaka izay tonga nanatrika izany fampiofanana izany ; ny tanjona dia ny fisorohana ireo aretina sy ny poizina mety hateraky ny fihinana sakafo ratsy karakara sy maloto.

Aoriana izao fampiofanana izao  dia hisy ny fidinana ifotony izay ataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo solotonenan’ny Ministeran’ny fahasalam-bahoaka mba ho fanaraha-maso ny fampiharana ny toro-lalana izay efa nomen’izy ireo nandritra izao fampiofanana izao.