Fanolorana baolina ho an’ny ekipa Uscafoot sy IRC

administrateur 12 febroary 2018 Commentaires fermés
Fanolorana baolina ho an’ny ekipa Uscafoot sy IRC

Nanolotra fanampiana ho an’ireo Ekipa mpanao  baolina lavalava sy  baolina kitra   ato an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra  ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana androany 12 febroary , izay nitotosaina tato amin’ny Lapan’ny Analakely . Baolina   10 hoan’ny USCAFOOT sy 2 ho an’ny IRC  Iarivo Rugby Club. Ny tanjona amin’ny fanaovana ny fanatanjahatena dia mba hitondra fampandrosoana ny tanàna  eto Antananarivo Renivohitra   sy  ny fitazaina ny tanora mba tsy hirona amin’ny zava mahadomelina sy ireo fangalarana  samihafa …

Nangataka tamin’ireo  mpilalao  ny Ben’ny Tanana  Lalao Ravalomanana  hanangana  komisiona  mba hitondràna   ny hetaheta sy ny fangatahan’izy  ireo   hanampiana azy   .Midera azy ireo ihany koa ny Ben’ny tanàna amin’ny fanaovan’ izy ireo fanatanjahatena ka   mampirisika hatrany  izy  amin’ny fanomezana lanjany ny zavatra   ataon’izay ireo. Fa etsy  andaniny , nangataka ny solotenan’ireo mpilalao roa tonta   ny hanomezan’ny CUA    asa ho an’ireo mpilalao mbola  tsy manana asa. Mbola  hitohy ny fihaonana amin’ireo ekipa tsy  mbola an’asa   sy ny ben’ny Tanana handinihana miaraka ny  olana mianjady amin’izy ireo  rahampitso.

CUA

Tsara marihana ihany koa fa eo ampanomanana ny  tompondakan’Analamanga    manomboka amin’ny sabotsy izao ny USCAFOOT ary ny IRC kosa manomana ny “ amboaran’ Antananarivo”.