Fanentanana mikasika ny « ligne verte 147 » nataon’ny CUA

administrateur 12 aprily 2018 Commentaires fermés
Fanentanana mikasika ny « ligne verte 147 » nataon’ny CUA

Nanomboka ny Alatsinainy 09 aprily  2018 teo dia nanao fampahafantarana ny « Ligne Verte 147 » na ny Laharana maintso, an’ ireo mpianatry ny Lycée Rabeharivelo, LMA ary JLFR ny Departemanta misahana ny asa Sosialy avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Fampahafantarana azy ireo amin’ny fiantsoana ny laharana maitso 147 raha misy herisetra mahazo ny ankizy na vehivavy eo amin’ny fiarahamonina. Marihana fa  mandeha 24/24 sy 7j/7 ny fiantsoana.

Nampahafantatra ihany koa ny heloka fandikana lalàna amin’ny fampiasana  internet na ny « cybercriminalité » izay tsy tokony hatao izy ireo, ohatra tamin’izany ny fampianarana azy ireo mba tsy hanaparitaka ny fiainany sy ny olona hafa izay hita fa saropady, indrindra ny zavatra mamoafady. Mba handanjalanja ny zavatra tokony havoaka sy tokony hatao  indrindra ny fampiasana ny FACEBOOK.

Mbola hitohy amin’ny Lycée  hafa ny fampahafantarana ataon’ny kaominina Antananarivo dia eny amin’ny LTC, LTP, Lycée Gallieni ary ny eny anivon’ny Fokontany.