Indray mandeha isan-kerinandro dia manao fanadiovana faobe ny avy ao amin’ny boriboritany fahatelo, izany dia toerana fidina manokana mila diovina tanteraka ; Ankoatrin’ny asa efa fanao isan’andro.
Ka androny Alakamisy 05 aprily 2018 dia nosafidina manokana indray ny faritra tetsy Ampasampito hatrany Avaradoha izay nanaovana fanadioavana toy ny fanalana ny fasika, ny lobolobo, ny fanesorana bozaka sy fako. Mpanadio avy ao amin’ny Zone 1, 2, 3 no niaraka nientana nanao izany rehefa avy nanadio avy any amin’ny faritrany.
Nisy ihany koa ny fanadiovana lakandrano izay nataon’ny kaominina Antananarivo teny an-toerana izay nifandrimbonan’ny ny boriboritany 6. Marihana fa nanomboka tamin’ny 10 ora sasany ny fanadiovana izay notarihan’ny sefo tekinika ny Boriboritany fahatelo.