Notontosaina ny Talata 27 Martsa 2018 tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tamin’ny alalan’ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana andaniny sy ny Fivondronamben’ny mpanao asa soa eo anivon’ny sehatra tsy miankina ( Plateforme Humanitaire du Secteur Prive) ankilany momba ny hiarahan’ny 2 tonta miasa momba ny fiatrehana ny loza voajanahary izay mianjady matetika amin’ny tanànan’Antananarivo.
Mizara 2 ny Sonia natao ka ny voalohany tamin’izany dia ny momba ny fitantanana sy ny fampihenana ny loza mety hitranga ka tafiditra amin’izany ny famantarana mialoha ny filàna eo anatrehan’ny loza, eo koa ny hampisiana trano lehibe hitobian’ireo entana sy fanampiana natokana ho an’ny trabona ka ny fahafantarana mialoha ny fahavoazana no ahafahana mampisy sy manangona ny fitaovana sy ny fanampiana izay ilaina.
Ny sonia faha 2 kosa dia fifanarahana eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny PSHP momba ny hanaovana tetik’asa mandalo hahazoana vokatra haingana sady azo tsapaintanana ary indrindra ny fanatsarana ny fiainan’ireo olona sahirana, tsy atao ambanin-javatra koa ny fanomezana lanja ny fihomanana amin’ny loza izay tsy afaka misaraka amin’ny fihofanana.
Ny Ben’ny Tanànan’Iarivo Lalao Ravalomanana kosa no nanamafy fa zavadehibe mialohan’ny zava-drehetra ny fidinana ifotony hahafantarana mialoha ny zavamisy marina hiainan’ireo mponina traboina, ny vahoaka koa hoy izy dia tokony hahay hampihatra ny fahaizana noratovony nandritra ny fihofanana miaraka amin’ny fanarahana ny fitsipim-pifehezana ary homena lanja ny fijerena asa hiteraka loharanom-bola.
Ramatoa Isabelle Salabert Filohan’ny Fivondronamben’ny mpanao asa soa eo anivon’ny sehatra tsy miankina kosa no nanambara fa tombony lehibe ny fisian’ireo orinasa maro izay manodidina ny 40 ankehitriny satria samy afaka hitondra ny anjara birikiny izy ireny amin’ny fitondrana fanampiana amin’ny endriny maro. Fantatra fa hidina eny anivon’ny vahoaka avy hatrany ny Ben’ny Tanànan’Iarivo sy ireo mpiara-miasa aminy hijery imaso ny zavatra mianjady amin’ny mponina hahazoana mandray ny andraikitra mifanandrify amin’izany miaraka amin’ireo mpiaramiombon’antoka ka anisan’izany ny Plateforme Humanitaire du Secteur Privé.