CUA – MAYOTTE

administrateur 9 martsa 2018 Commentaires fermés
CUA – MAYOTTE

Tonga nihaona tamin’ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny Alakamisy 08 Martsa 2018 ny Delegasionina iray avy amin’ny Departemantan’i Mayotte. Araka ny efa nambaran’ny Ben’ny Tananan’Iarivo matetika dia misokatra amin’ny rehetra ny fiaraha miasan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra na ny atoanatiny na ny any ivelany.

CUA

Araka ny nambarandramatoa Lucie Andriamanoharisoa izay Lefitry ny Ben’ny Tananan’i Mamuju Mayotte dia dinika savaranonando no notanterahan’izy ireo niaraka tamin’ny Ben’ny Tananan’Antananarivo Renivohitra ka tamin’izany no namaritana sahady izay ho endriky ny fiaraha miasa amin’ny ho avy. Fantatra fa hitohy ny fifampikasohana misimisy kokoa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Departemantan’i Mayotte ka ao anatin’izany ny fifampitsidian’ny tomponandraikitra eo amin’ny andaniny sy ny ankilany.