Boriboritany Voalohany: Fanadiovana sy fanomezana endrika ny Tanàna

administrateur 13 aprily 2018 Commentaires fermés
Boriboritany Voalohany: Fanadiovana sy fanomezana endrika ny Tanàna

Ny Alakamisy 12 Aprily 2018 dia nanao fidinana teny amin’ny tonelina Ambohidahy ireo ekipa mpanadio avy ao amin’ny Boriboritany Voalohany ka nanala ny loto sy nanapaka ireo bozaka sy ahitra rehetra izay hita fa tena manelingelina  manodidina ny rindrim-bato manoloana ny “HCC”.

Nitohy teny Ampandrana-Ankadivato izany hetsika izany fa ny nampiavaka kely ity farany ity fotsiny dia ny fandraisan’anjaran’ny mpamonjy voina avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra satria dia avo loatra ny toerana, nararaotina ihany koa nandritra izany ny fanalàna ireo hazo be ahiana ianjera ka mety hitera-doza.

Izao hetsika rehetra izao no natao dia mba ho fanadiovana sy fanomezana endrika ny tanàna. Koa eto dia manentana hatrany ny vahoaka ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny fari-piadidian’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra mba tsy hanarinary ny fakony sy ny lotony etsy sy eroa fa efa misy ny toerana voatokana ho an’izany.