Boriboritany voalohany: Fanadiovana sy fandaminana ny tanànan’Antananarivo renivohitra

administrateur 20 martsa 2018 Commentaires fermés
Boriboritany voalohany: Fanadiovana sy fandaminana ny tanànan’Antananarivo renivohitra

Ezahina diovina tsy asiana mpivarotra tsy ara-dalàna intsony ireo toerana maro eto anivon’ny Boriboritany Voalohany. Ny teny Antaninarenina ohatra dia anisan’ireo toerana tsy azo ivarotana kanefa dia hita fa mbola maro ireo mpivarotra tsy ara-dalàna eny amin’ity toerana ity, tsy nijery fotsiny izany ny ekipan’ny Boriboritany Voalohany fa tonga dia nandray ny andraikitra tandrify azy ny Alatsinainy 19 Martsa 2018 tamin’ny alalan’ny fanomezana fampitandremana ireo mpivarotra tsy ara-dalàna mba hamonjy ireo tsena efa voatokana. Niroso avy hatrany tamin’ny fandraofana ireo entam-barotra kosa izy ireo ho an’izay mbola minia tsy manaraka ny fandaminana izay apetraky ny Kaominina  Antananarivo Renivohitra.

Ankoatra ny teny Antaninarenina dia nodiovina torak’izany ihany koa ireo tsena tsy ara-dalàna teny amin’ny Petite Vitesse satria dia manelingelina ny fifamoivoizan’ny fiara no sady miteraka tsy fandriam-pahalemana. Tsy hijanona ny asa fanadiovana sy fandaminana ny Tanàna fa mbola hitohy mba ho tombontsoan’ny tsirairay.