Boriboritany fahatelo : Fanolorana solosaina

administrateur 30 novambra 2017 Commentaires fermés

Ho fanohizana  ny fankalazàna ny tsingerintaona fahatelopolo nisian’ny Boriboritany fahatelo, dia mbola mitohy hatrany ny asa fanavaozana sy fanatsaràna ny efitrano fisoratam- panambadiana.

Anio faha 30 Novambra 2017 dia notoloran’ny AMETIS solosaina iray, maika Le Novo,Core  i3 ny Boriboritany ho ampiasaina ao amin’ny salle de mariage, orinasa efa mpiara- miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Manomboka izao dia afaka mangataka hira ny mpanambady amin’ny fotoana hidiran’izy ireo ao amin’ny efitrano fisoratana. Ary ahazo tombony ihany koa ireo rehetra mpampiasa ity toerana ity toy ireo fikambanan’ny be antitra, ny mpivarotra, ireo polisy,…

Miezaka hatrany hanatsara ny tolotra ho an’ireo vahoaka ny Boriboritany fahatelo satria tanjona ny hanome fahafaham- po azy ireo .