Boriboritany fahatelo-CUA: Manohy manampina ireo lalana misy lavadavaka

administrateur 5 febroary 2018 Commentaires fermés
Boriboritany fahatelo-CUA: Manohy manampina ireo lalana misy lavadavaka

Mitohy hatrany ny asa fanamboarana lalana ataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Mihitatra makany amin’ny Boriboritany fahatelo indray ireo fanampenana ireo lavaka eny amin’ny arabe. Ezaka ataon’ny Delegen’ny boriboritany fahatelo Rado Andriamamonjisoa amin’ny alalan’ny fiaraha miasa amin’ireo mahalala tanana no nanaovana izao fanamboarana izao ary avy amin’ny alalan’ny departemanta misahina ny fanamboarana eto anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra; izay eo ambany fifehezan’ny Ben’nytanàna Lalao Ravalomanana.

Nanomboka androany 05 febroary 2018 dia teo Antaninandro ambanin’ny Jovena ny fanamboarana avy eo mahazo ny lalana ny Rasalama dia mihitatra makany amin’ny “suprême center” sy Ankadifotsy ary mifarana eny amin’ny “Rond point” Antanimena. Mahatratra lava eo amin’ny 30 metatra tora-droa ny fitambaran’ireo ho tapenana izay ho ezahina vitaina ao anatin’ny 3 andro farafahatarany. Marihana fa tsy mijanona eo ihany izany fanamboarana izany fa mbola hitohy amin’ny toerana hafa.