Boriboritany fahadimy

auteur 12 octobra 2017 Commentaires fermés
Boriboritany fahadimy

Fizarana aron’akanjo ho an’ ny mpamafa lalana

Nozaraina aron’kanjo sy tapim- bava (cache bouche) ireo mpamafa lalana eo anivon’ny Boriboritany fahadimy ny 11 Oktobra 2017. Nitarika izany ny Lehiben’ny Boriboritany Atoa RAKOTO Emmanuel Richard notronin’ ny Filohan’ny filan- kevitra Monisipaly, Atoa ANDRIAMBAHOAKA Faustin sy ireo mpanolotsaina mpiara- miasa aminy avy eo anivon’ny Boriboritany.

Miisa 24 ireo mpamafa lalana nisitraka ireo aron’akanjo vaovao. Ary tanjon’izao hetsika izao ny mba hampitombo ny fahavitrihan’ izy ireo eo amin’ny fanatanterahana ny asa ary indrindra ho fiarovana azy ireo amin’ireo karazana aretina maro toy ny pesta.

CUA

Araka ny nambaran’Atoa Filohan’ny Filan- kevitra Monisipaly dia marika iray hamantarana fa matanjaka ny Boriboritany rehefa mahavita toy izao, mitsinjo ireo mpiasa ao aminy.

Marihina fa ezaky ny Boriboritany fahadimy manokana ny nahafahana nanatanteraka izao hetsika izao, ary mbola hisy ihany koa  famatsiana fitaovana    hampitombo ny risi- pon’izy ireo araka ny nambaran’ ny Lehiben’ny Boriboritany.