Boriboritany Fahadimy: Fanompoam- pivavahana iraisam- pinoana

administrateur 26 janoary 2018 Commentaires fermés
Boriboritany Fahadimy: Fanompoam- pivavahana iraisam- pinoana

Ho fangataham- pitahiana ho an’ny fotoam- piasana 2018, dia nanatanteraka fanompoam- pivavahana iraisam- pinoana ny Boriborita ny fahadimy ny 25 Janoary 2018.

Nifanotrona tamin’izany avokoa ireo mpiasa tsy ankanavaka eo anivon’ity Boriboritany ity izay tarihin’Atoa RAKOTO Emmanuel Richard.

Nitondra ny tenin’Andriamanitra nandritra izany Atoa RAKOTOZOELY Bernard Mpitandrina. Ny tenin’ I Paoly Apostoly araka ny I Korintianina 15: 10 no hafatra nandritra izany izay milaza fa “ny fahasoavan’Andriamanitra no naha toy izao  ahy”.

Efa fanao mahazatra eo anivon’ny Boriboritany fahadimy ny hetsika  toy izao. Satria tsy asa fotsiny ihany no tanterahina ao amin’ity toerana ity fa fitaizana ihany koa indrindra indrindra fa ny ara- panahy amin’ny fanatanterahana ny asa fikarakaranan’ ny vahoaka.