Boriboritany fahadimy : Fanadiovana faobe

administrateur 12 martsa 2018 Commentaires fermés
Boriboritany fahadimy : Fanadiovana faobe

Mitohy hatrany ny asa fanadiovana ny tanàna tanterahin’ny Boriboritany fahadimy. Ezahina atao isan’ andro ny hetsika fanadiovana faobe fa tsy endrasana isan- kerinandro toy ny teo aloha.

Nanomboka ity herin’andro voalohany amin’ny volana Martsa ity dia natomboka teny Anjanahary ny asa, ka niainga teny amin’ny Rue RAFARALAHY Andriamazoto ka hatreny amin’ny Kianja RANDRIANALY Georges. Avy eo notohizana teny amin’ny Rond point Magro Ankorondrano ka hatreny amin’ ny Rond point mivily makeny Marais Masay, ary nofaranana teny amin’ny IST Ampasampito.

Nandritra ny fanadiovana dia notapahina ny lobolobo sy bozaka ary ireo fasika miangona nentin’ny orana. Mbola hitohy amin’ny toerana samihafa ao anatin’ny Boriboritany fahadimy ny hetsika fanadiovana   faobe fa tsy hifarana hatreo ary hiara hisalahy amin’izany ireo mpamafa lalana andavan’andro sy ireo ekipa teknika.