Boriboritany fahadimy : Fanadiovana faobe Tsarahonenana

administrateur 8 febroary 2018 Commentaires fermés
Boriboritany fahadimy : Fanadiovana faobe Tsarahonenana

Ny Fokontany Tsarahonenana indray no nahazo tombony tamin’ity hetsika ity.

Niara nientana avokoa ireo ekipa teknika rehetra eo anivon’ny Boriboritany niaraka tamin’ireo mpanadio ny lalana andavan’andro.

Toy izay efa fanao dia nofafana ny arabe, notapahina ireo bozaka sy lobolobo, noraofina ireo fasika manohana ny fikorinan’ny rano ary nosokirina ireo tatatra.

Ezaka tanterahin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary hanentanana hatrany ny vahoaka ny fanadiovana ny tanàna satria antoky ny fahasalamana ny monina amin’ny toerana madio.

Tsy mijanona hatreo ny asa fanadiovana tanterahin’ ny Boriboritany fahadimy fa mbola hitohy, indrindra ho an’ity fokontany ity nohon’ ny tsy fahampian’ ireo mpanadio lalana manao ny asa isan’andro sy ny velaran’ny toerana.