Nametaka takamoha (ampoule) 191 isa tany amin’ ireo Fokontany 14 ao anatin’ny Boriboritany fahadimy ireo ekipa teknika, sy ny Direction des Travaux Publics (DTP) avy eo anivon’ny Kaominina, ny Jirama ary ireo Fokontany voakasik’izany ny faran’ny herin’andro lasa teo.
Ny Fokontany Manjakaray II B, II C, II D, Anjanahary II A,II C, II N, II O, Nanisana, Analamahitsy, Ankerana, Anlamahitsy tanàna, Tsarahonenana, Ambohimirary, Amboditsiry ary Isoavimasoandro no nahazo tombony tamin’ity indray mandeha ity. Nisy ihany koa ireo napetaka tao amin’ny Biraon’ ny Boriboritany.
Izao no natao mba hitandrona ny filamanana eny anivon’ny Fokontany rehefa hariva.
Marihina fa ezaka manokana avy amin’ny Boriboritany fahadimy no nahafahana nanatanteraka izao fanazavana ny tanàna izao.